- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Lehilahy maty nitifi-tena

Sambava : Lehilahy maty nitifi-tena

Nandriaka ny rà tao amin’ny tanànan’Ambodimanga, ao amin’ny fokontany Ambodisambalahy, any amin’iny distrikan’i Sambava iny, ny 23 jona lasa teo. Lehilahy iray no maty nihoson-drà tao an-tranony, trobaky ny bala teo amin’ny tratrany. Azo heverina fa maty nitifi-tena ity lehilahy ity, satria araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary dia mbola nahitana basy vita gasy teny an-tanany. Ny tompon’andraikitra teo amin’ny fokontany no nilaza tamin’ny zandary tany an-toerana ny amin’ny fisian’ity tranga ity. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana nanao ny fizahana ny razana. Ary niroso avy hatrany  tamin’ny fisavana ny tranony ihany koa ireto tompon’andraikitra. Tamin’izany no mbola nahitana fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy dimy ary ihany koa fitoeram-bala roa. Mpanao aferam-basy nifoteran’ny zavatra nataony sa niniana novonoina ? Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici