- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Maty notifirin’ny namany i Manjota, jiolahy rain-dahiny sy gadra nitsoaka

Sambava : Maty notifirin’ny namany i Manjota, jiolahy rain-dahiny sy gadra nitsoaka

Valin’ny natao ! Jiolahy rain-dahiny amin’ny fanafihana tao Mahajanga, ary fantatra fa efa nigadra noho izay resaka fanafihana izay, saingy tafatsoaka ny fonja nitazonana azy raha teny am-panaovana ireo asa ivelan’ny fonja na “MOP”. Tsy hita hatreto izay tany nanjavonan’i Manjota. Ny alatsinain’ny paska teo anefa no nisy nahita ny fatiny, efa rotiky ny bala tany amin’ny an-jatony kilaometatra miala ny renivohitr’i Boina , any Sambava. Raha ny fampitam-baovao azo, dia ny namany ihany no nitifitra nahafaty ity jiolahy rain-dahiny ity. Taorian’ny fitsoahany ny fonja mantsy dia mbola niroboka tanteraka tao anatin’ny fanafihana mitam-piadiana izy sy ny namany. Nanomboka tany Mahajanga aloha, izay efa nampikaikaika ny maro mihitsy. Ary efa voapetaka eran’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny sariny. Niala tamin’izay ny anao lahy ka io nifindra lasy tany an-drenivohitr’i Sava io. Araka ny vaovao hatrany dia avy nanatanteraka fanafihan-jiolahy izy sy ny namany talohan’io fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany io. Vita ny asa ratsy, azo ny vola, teo no nitranga ny disadisa teo amin’izy ireo. Samy olon-dratsy izao tokoa ve moa no mifandiso tsy hiafara amin’ny rà mandriaka ? Heverina tokoa araka izany, fa nety nitrangana fifandisoan-kevitra teo amin’ity jiolahy rain-dahiny ity sy ireo namany, izay tsy maintsy ho resa-bola amin’ny anjaran’ny tsirairay, ka dia izao no niafarany. Marihana, fa ny faramparan’ny taona 2016 teo no nitsoaka ny fonja nitanana azy i Manjota, ary tsy hita popoka nony avy teo, eny fa na dia teo aza ny savahao nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ireo làlam-pirenena rehetra mivoaka ny tanan’i Mahajanga.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici