Fadiranovana tokoa ny tantsaha mpamokatra lavanilina rahefa voa asa ny foleran-davanilina. Efa misy sahady mantsy ny halatra voan-davanilina manta. Eny, tsy voan-davanilina efa matoy sy tsy mbola voatomboky ny tompon-davaniilina aza. Fa na dia mbola tsy matoy aza izao, roa na telo volana aorian’ny niasana ny folerany izao dia efa misy mpividy ireo lvoan-davanilina ireo. Henonay siosio aza fa efa misy olona mpividy voan-davanilina efa sahy mividy ireny voan-davanilina tsy mbola matoy ireny 40.000Ar ny kilao. Maro koa ny miteny fa “ tsy misy ny halatra lavanilina manta raha tsy misy ny mpividy azy ”. “ Tsy matoy velively ny voan-davanilina raha roa volana na iray volana aorian’ny niasana ny folerany dia efa misy misangotra; eny fa na dia mbola tsy latsa-poitra aza ny voan-davanilina. Hatramin’ny volana desambra lasa teo, tao anatin’ny Fkt Ambohitrankongona – CU SAMBAVA, lavanilina manta milanja 25kg no nangalarin’olona anankiroa tany. Navelany ireo lavanilina manta azon’iireo mpangalatra azy mi-isa telolahy raha nenjehin’ireo mpamboly sy ny andrimasom-pokonolona avy any amin’ity fokontany ity ireo mpangalatra ireo. Mbola tao amin’ity fokontany ity ihany koa, dia lavanilina manta milanja 47Kg indray no navelan’ireo mpangalatra lavanilina manta nangalarin’ireo olona roa lahy tany amin’ity fokontany ity. Ny voalohandohan’ny volana janoary teo, tao an-tanimbolin’,ny mponina atao hoe Antsakorana – Fokontany Ambohimanarina kaominina Maroambihy –Sambava dia lasan’ny tovolahy anankiroa, ny iray avy any Manakana kaominina Ambodiampana ary ny iray avy aty Ambatofitatra kaominina Sambava. Voan-davanilina manta 9kilao no lasan’izy ireo ary tratran’ny fokonolona any Ambohimanarina izy roa lahy. Hatolotry ny Poste Avancé ao Andohanantsahabe, Ambodiampana – Sambava ny Fitsarana androany na rahampitso izy roalahy ireo satria rahefa naterina tany amin’ny Poste Avancé ireo tanora roalahy ireo dia efa natomboky ny zandary ny famotorana azy ireo. Santionany fotsiny ireo fa na tao Amboronitsy sy Ambodisatrana koa aza dia lavanilina manta 15kg no naterin’olona nanenjika fa tsy nahatratra ny mpangalatra ary navelany ny entany.
REMI, Rakotonirina