- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversSambava : Misy mangalatra ihany koa ny lavanila eny an-tsaha

Sambava : Misy mangalatra ihany koa ny lavanila eny an-tsaha

Lavanila mbola tsy matoy akory dia efa misy sahy mangalatra any Ambodisatrana – Sambava. Ny Alarobia tokony tamin’ny folo ora alina, dia roa lahy no tra-tehaky ny tompony saika hangalatra ny lavaniliny.  Tratran’ny tsy nampoizina ireto mpangalatra, satria nihevitra ny hioty am-pilaminana kanjo izao nifanehitra tamin’ny mpamboly izao. Tsy nanaiky mora foana ity rangahy mpamboly lavanila ka nifampitana tamin’ireto mpangalatra. Vokany: olona roa no naratra mafy, ilay tantsaha sy mpangalatra iray.  Nony tazan’ity tantsaha ireto mpangalatra, dia efa nanomana fiarovan-tena izy. Nandritra ny fifanjevona dia voantsindron’ny zava-maranitra teo amin’ny foto-peny sy teo amin’ny tanany ny iray tamin’izy roalahy. Tsy afa-doza akory ity rangahy fa mbola nitohy ny fifanandrinana ka voan’ny antsy ihany koa ny tendany. Lavo itsy farany ka nanararaotra nitsoaka ireto mpangalatra roalahy. Fotoana vitsy taorinan’ny nitrangan’ny loza vao tafody nampandre ny tao an-tanàna ity naratra ka nentina haingana tany amin’ny tobim-pahasalamana. Nanatanteraka   fanarahan-dia avy hatrany ireo tovolahy mpiara-monina aminy vao nandre ny vaovao ratsy. Tsy tratra intsony anefa ireto jiolahy fa kitapo iray miampy antsy sy finday ary ila-kapa no any sisa tavela teo amin’ny lalana nitsoahany. Efa noraisin’ny commissariat de Police Sambava an-tanana ny raharaha ary efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

Kanto R. (Stagiaire)

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici