Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoan’ireo tsy mataho-tody ity raim-pianakaviana iray, tokony ho efa-polo taona, mpamboly lavanila any amin’iny faritra Sava iny, ny alahady alina lasa teo. Rehefa notombotombohina ny lefona mantsy ity farany dia norasarasaina tamin’ny antsy indray ny lamosiny, avy eo nokapaina ny rantsan-tongony, hiala tanteraka.
Tao amin’ny tanàna iray tao amin’ny fokontany Ambolimadinika, ao amin’ny kaominina Nosiariana, distrika Sambava no nitrangan’izany vono olona mahatsiravina izany. Araka ny fampitam-baovao azo, dia niala tao an-tranony nilaza handeha ho any an-tanimboliny izy, ny alahady maraina ary tsy niverina intsony. Nanomboka teo ny fikarohana ity rangahy ity, teny amin’ny làlana izay mety ho nalehany nihazo io saha io. Teny an-dàlana, tanaty kirihitra no nahitana azy, efa vatana mangatsiaka mihosin-drà sisa. Nampandrenesina haingana teo ireo tompon’andraikitry ny filaminana izay tonga avy hatrany tany an-toerana. Tamin’izany no nahitana ny fampijalijaliana natao azy izay niafara hatramin’ny famoizany ny ainy mihitsy. Taorian’ny fitiliana rehetra sy ny fizahana dia nomena ireo fianakaviana ny razana. Marihana fa tsy nisy n’inona n’inona azo nalaina akory tany amin’ity rangahy lehibe ity tamin’ny fotoana nivoahany ny trano. Mazava ho azy araka izany, fa tsy nisy zavatra lasan’ireo mpamono. Heverina fa mety ho disadisam-piarahamonina na valifaty fotsiny ny antony namonoana azy tahaka izao. Nisy avy hatrany moa ny fanadihadiana nosokafana. Taorian’io dia fantatra, fa efa nisy olona iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity vono olona mahatsiravina nosamborin’ny zandary, ary efa nentina nofotorana.
m.L