- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpandraharaha iray maty nihantona

Sambava : Mpandraharaha iray maty nihantona

Ny 03 oktobra lasa teo, tokony ho  tamin’ny fiandohana ny tolakandro, tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe « Antanambao-Soaline, fokontany Antaimby, ao anatin’ny distrikan’i Sambava, dia naheno fofona hafahafa ny olona manodidina ny tranon’ny mpandraharaha iray  mifanila vody rindrina. Nojerena avy hatrany ny zava-misy. Nodondomin’ny mpifanila vody rindrina aminy aloha ny varavaran’ny trano nisy an’ilay fofona. Tsy nisy namaly , dia  niroso avy hatrany ireo olona namoha an’ilay varavarana, izay  tsy nihidy lakile. Akory ny hatarain’ny olona, raha nahita ny fatin-dRabarison  Fernandel, mpivarotra maty nihantona. Araka ny fampitam-baovao voaray tany an-toerana,  dia tamin’ny 02 oktobra maraina, no nahitan’ny fokonolona an-dRabarison Fernadel  farany. Tonga tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo nanokatra ny fanadihadihana. Ho hita eo ny tohiny.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici