- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Mpandroba niharan’ny fitsaram-bahoaka

Sambava : Mpandroba niharan’ny fitsaram-bahoaka

Leom-boan’anana amin’ny firongatry ny asa ratsy ny ankamaroan’ny mponina ao an-tampon-tanànan’i Sambava, ka izay mpangalatra na jiolahy tratra, dia saika iharan’ny hatezeram-bahoaka avokoa. Omaly, tovolahy iray sahabo ho 30 taona eo, izay tra-tehaka ambodiomby namaky trano, tao amin’ny « Quartier Belle souvenir » no niharan’ny fitsaram-bahoaka. Rehefa voasambotra niaraka tamin’ny « sac à dos » nisy vola sy volamena avy norobainy ity mpangalatra, dia niharan’ny daroka sy vono, ka nividana tarehy, nivonto handriny sy maso. Rehefa avy nidina tamin’ny « pince »n-damba maromaro ny vavan’ity mpangalatra, dia saika nodoran’olona velona, fa tsy nanaiky izany habibiana izany ny tompon-trano lasibatra. « Olo matanjaka be karaha ty anao mangalatra sy mamaky trano.Tsy te-hisasatra karaha olo jiaby mitrongy vao homagna anao, ka aleo fahizina mafy edy », hoy ny olona. Raha ny vaovao voaray, dia avy any Antalaha ity tovolahy tra-tehaka, ary voalazan’ireo mahafantatra azy, fa mpanamboatra « lecteur » sy fahitalavitra ary radio no asany tany taloha.

Eric Manitrisa

Vohémar : Sahan-drongony 2 Ha nodorana

Noho ny ezaky ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ny zava-mahadomelina any amin’ny Faritra Sava, dia sahan-drongony tamina velaran-tany mirefy roa hektara, izay nambolena amorona ala arovana tao Andoharanobe, Fokontany Antsaho, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Daraina, Distrikan’i Vohémar, no sarona, afak’omaly, ka nodorana avy hatrany ireto rongony maitso am-potony. Rehefa nahazo loharanom-vaovao mari-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo ny Zandary avy ao amin’ny Tobim-paritra Daraina, dia tonga nidina ifotony tany an-toerana, ka rongony « pitiky » miisa 260 fonosana lehibe saika haondrana sy hamidy no tra-tehaka. Raha ny vaovao voaray, rehefa niroso lalina tamin’ny fanadihadiana nataony ireo mpitrandro filaminana, dia traingo ireto sahan-drongony.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici