Nanao alim-pandihizana tao amin’ny PK 10 ao amin’ny Fkt sy Kaominina ambanivohitra Ambohimalaza ny mpanakanto malaza iray ny voalohandohan’ny volana lasa teo. Io alina io ihany dia nividianan’ny tovolahy iray zava-pisotro mamy sy labiera ireo vola sandoka rehetra ireo mba hanakalozana azy ho vola tena izy. Ny marainan’io anefa dia nahatsiaro saina ilay tompon’ny bar nividianany zava-pisotro ka nitory azy tany amin’ny polisy. Rahefa nataon’ny polisy ny fikarohana azy dia hita sy tratran’ireo polisy ireo tao amin’ ny trano iray ao amin’ny fokontany Ambalamanasy – Kaominina Ambonivohitr’i Sambava izy. Mbola nahitan’ ireo polisy ireo vola sandoka hafa miisa sivy amby roapolo (29) koa miparitaka teo ambony fandriana ao amin’io trano nahitana azy io. Taorian’ny famotoran’ny polisy, rehefa naterin’izy ireo tany amin’ny Lehiben’ny fampanoavan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antalaha izy sy ny tovolahy roalahy notondroiny fa mpiara-dia taminy dia samy nadoboky ny fampanoavana tany am-ponja izy telolahy.
REMI, Rakotonirina