- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Naolan’ny vinantolahiny sady noratrainy ho faty ny rafozam-baviny

Sambava : Naolan’ny vinantolahiny sady noratrainy ho faty ny rafozam-baviny

Trangam-piarahamonina tsy dia fahita na fandre firy sy matetika no niseho tany amin’ny Distrikan’i Sambava, ny tolakandron’ny 4 janoaray lasa teo, tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Maroambihy. Naolan’ity vinantolahiny 41 taona ny rafozam-baviny izay 58 taona. Mbola niharan’ny herisetra ihany koa ity farany ka torana tsy nahatsiaro tena samirery. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia tsy teo an-toerana rangahy vadin’ity ramatoa niharan’ny filan-dratsy ity tamin’ io fotoana io fa niambina voly lavanila tany an-tsaha. Olona sendra nandalo ny marain’ny zoma teo tokony ho tamin’ny 09 ora no naheno feo malefaka miantso vonjy avy amin’ny trano iray, ka rehefa nojerena dia ramatoa be no tao efa reraka sady nihosin-drà. Taorian’izay dia nitantara ny nanjo azy izy. Tonga nirodorodo marobe ny fokonolona raha vao nandre, ka nizara roa ny olona. Ny ampahany roso nikaroka ilay vinantolahy mpanolana sady nampandre ny Zandary tao amin’ny “Poste Avancé” Andohan’Antsahabe. Ny andiany faharoa kosa nitondra an’ ilay ramatoa tao amin’ny hopitaly Ambohimanarina Lokoho, ka zaitra niisa 11 no natao taminy noho ny ratra mafy nahazo azy. Voasambotra ilay vinantolahy, ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka raha tsy nalaky tonga ny mpitandro filaminana naka azy hatao famotorana.

 

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici