- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Navelan’ny mpangalatra azy ny gony telo feno voan-davanilina manta 68...

Sambava : Navelan’ny mpangalatra azy ny gony telo feno voan-davanilina manta 68 kilao

Ny herinandro lasa teo no nahitan’ny andian’ny mpamokatra lavanilina miambina ny lavaniliny any an-tsaha ka mandeha manao fisafoana manodidina ny alan-davanilin’izy ireo.  Tamin’izany fotoana izany no nahitan’ireo andian’ny mpamokatra olona telolahy samy milanja gony avy nangalarin’izy ireo, tamin’alina iny. Tao an-dohan’Ambolotara, Sambava, ireo voan-davanilina ireo.  Niporitsaka nandositra  iretsy mpangalatra iretsy rahefa nahita ireo andian-tantsaha mpamokatra ireto ary navelany teo ny gonin-tsima 50 kilao nitondran’izy ireo ny voan-davanilina avy nangalariny. Nilanja 68 kilao ireo voan-davanilina ireo ary tena voan-davanilina manta mbola maitso sady mbola tsy latsa-poitra akory ny ankamaroany. Niantsoan’izy ireo ny Filohan’ny Fokontany io toe-javatra io ary nentin’izy ireo naterina taty amin’ny « Commissariat de la Sécurité Publique” eto Sambava.  Mpamokatra lavanilina telo niharan’ny halatra voan-davanilina no tonga tany amin’ny polisy ka nampilaza ny fahavoazana nanjo azy ireo. An-dàlam-pikarohana ny mpangalatra ny polisy amin’izao fotoana izao. “ Tena mila ny fanampiana goavana amin’ny fitondram-panjakana izahay amin’ny fiarovana ny voly sy ny vokatra lavanilina”, hoy ny tantsaha mpamokatra sendra anay izay mitaraina mafy amin’ny manjo azy ireo: amin’ny antoandro miasa any an-tanimbary ary amin’ny alina indray mitono tena miambina ny voan-davanilina any an-tsaha. Lazain’izy ireo ihany koa fa “ matoa misy ny halatra dia misy ny mpividy halatra izay voatazona ela any am-ponja, araka ny vaovao henonay tamin’ny radio maro eto Sambava, noho ny volan’izy ireo, ka sahy mirehareha amin’izany eran’ny tanàna amin’izany, toy ilay mpividy sy efa mahandro ny halatra lavanilina 263kilao azon’ny zandary tamin’ny volana janoary lasa teo, izay efa mitondra fiara 4 x 4 ka nanao fety tany Tsarahitra noho ny fivoahany ny fonja”.

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici