- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversSambava : Tovolahy tratra nangalatra lavanila maitso 14kg

Sambava : Tovolahy tratra nangalatra lavanila maitso 14kg

Nirongatra tato ho ato ny halatra lavanila mbola manta any amin’ny distrikan’i Sambava. Afak’omaly, tany Antsahalalina Kaominina ambanivohitra Ambohimalaza, tovolahy iray, tra-tehaky nangalatra lavanila maitso milanja 14kg no efa voatango natao anaty gony no saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Raha ny vaovao voaray dia teo am-pangalarana mihitsy ity tovolahy ity no nifanehatra tamin’ny tompon’ilay tanimboly izay sendra handeha hiambina  ny tanin-davaniliny ka dia noraisim-potsiny. Niantso ny fokonolona avy hatrany ilay tompon’ny lavanila. Raikitra avy hatrany ny daroka sy vono ary naterin’ny ben’ny tanànan’ Ambohimalaza haingana tany amin’ny mpitandro filaminana ilay tovolahy mpangalatra mba ho fiarovana ny ainy noho ny hatezeram-bahoaka.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici