Hatramin’ny nisokafan’ny taom-piotazana lavanila (vaky vavasaha), ny 15 jolay lasa teo, tany amin’ny Faritra Sava, dia niparitaka izay tsy izy ny basy vita gasy entin’ireo jiolahy manafika sy mandroba, ka mandry an-driran’antsy ny mponina mihorohoro fatratra. Vokatry ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana izay dia nirongatra ny asan-jiolahy mitam-basy ao anatin’ izao fotoana vokatra lavanila izao, ka nohamafisina ny fiambenana sy ny fanaraha-maso, raha ny nambaran’ny « Commissaire de Police », Mahonjo Roddi. Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamina olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana, dia lehilahy iray 36 taona, avy ao Ankadirano, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Farahalana, distrikan’i Sambava no saron’ny Polisy niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy efa voafahana, nandritra ny sakana natao tao Ambariomiambana (hiditra ny tampon-tanànan’i Sambava), afak’omaly. Taorian’ny famotorana sy fanadihadiana lalina an’ity jiolahy tra-tehaka ity, dia natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany, tao Antalaha, omaly naraina izy.
Eric Manitrisa