- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Vola sandoka 20.000 ariary, telo lahy voasambotra

Sambava : Vola sandoka 20.000 ariary, telo lahy voasambotra

Mbola tsy ampy iray volana akory no nivoahan’ny vola vaovao, dia efa vitan’ireo olon-dratsy sahady ny manao dika mitovy izany. Telolahy mpanamboatra sy mpanaparitaka vola sandoka roa alina Ariary maro be, tra-tehaka voasambotry ny Polisy ny zoma teo, niaraka tamin’ny fitaovana fanamboarana izany, no natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha, omaly. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana nandray an-tanàna ny raharaha, dia niainga tao Ambohimalaza, 30 km miala an’i Sambava mihazo ny làlana Andapa iny, ny alakamisy teo ny fikarohana. Raha ny fantatra mantsy, dia vola sandoka 220 000 Ariary (11 isa) nandoavan’izy telo lahy vidin-tsakafo sy toaka ary tsaky lanin’izy ireo, ny alin’ny alarobia teo. Nony naraina ny andro vao traingo fa vola sandoka ireto. Tadidin’ny iray tamin’ireo mpivarotra ny endrik’ilay tovolahy irakiraka mpividy lavanila, ary niainga teo ny fikarohana azy.  Noho ny fanomezam-baovao mari-pototra avy amin’ny olona tsara sitra-po ny mpitandro filaminana, dia tra-tehaka tamina fampisehoana lehibe iray nataona mpanakanto malaza tao Antanifotsy Sambava ity “Commissionnaire de vanille” ity, ny zoma teo. Rehefa nofotorana lalina izy dia nanondro ny namany roalahy, dia ilay mpitondra “bajaj” sy ny jiolahy fahatelo izay tany Lanjarivo Distrik’ Antalaha no sarona. Ankoatra an’ ireo ravim-bola sandoka nandoavana revy, dia vola roa alina Ariary sandoka miisa 59 mitetina 1,180 tapitrisa Ariary ihany koa no efa nividianana lavanila tany ambanivolo. Raha atao ny kajy tsotsotra, dia vola sandoka tsy latsaky ny 1, 4 tapitrisa Ariary (70 isa) raha kely indrindra no efa niparitaka. Ny eto An-drenivohitra kosa, raha ny tati-baovao samihafa voaray, dia ny vola iray alina Ariary no betsaka sandoka, ary tena mitovy tsy misy valaka amin’ny tena izy ilay sandoka raha jerena tomba-maso, hoy ireo mpivarotra efa lasibatra, toy ny tranga teny Namontana sy Ankadindratombo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici