- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambo mpiady koreana tatsimo : Tonga teto Toamasina ny sambo “Daejoyoung” niasa...

Sambo mpiady koreana tatsimo : Tonga teto Toamasina ny sambo “Daejoyoung” niasa tao “golf d’eden”

Telo andro no niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo mpiady koreana tatsimo ity. Ny 18 septambra no fahatongavany teto Toamasina, avy niaro ireo sambo mandalo amin’ny “Golf d’Edan” noho ilay resaka piraty ity sambo ity izao tonga teto izao. 300 ny isan’ny tatsambo tao anatin’ny sambo, ary ity no sambo mpiady koreana tatsimo voalohany niantsona teto amintsika, raha efa mahazatra ny fanjakana malagasy ny mahita ireo sambo mpiady Indiana, ireo sambo mpiady frantsay, iray sambo mpiady sinoa tonga eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena koreana sy ny firenena malagasy izao fahatongavan’ny sambo mpiady izao, indrindra ny eo amin’ny ara-tafika. Ny 20 septambra teo no niala tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity sambo mpiady koreana tatsimo ity, ary hitanjozotra hiazo ny firenana niaviny. Ankoatra izany dia sambo tena goavana tokoa ity sambo ity matoa mahazaka miaramila koreana 300 be izao ao anatiny, satria 150m ny halavany, 17,4m ny sakany ary mahazaka zavatra maro ao anatiny izay eo amin’ny 4.400 sy 5.520 taonina. Ny taona 2009 no nananan’ny fanjakana koreana tatsimo ity sambo “Daejoyoung”.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici