- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversSambo mpitondra mpizaha tany : Hiverina ny 06 novambra izao ny sambo “Costa”...

Sambo mpitondra mpizaha tany : Hiverina ny 06 novambra izao ny sambo “Costa” sy ny sambo “Aida Blue”

Isan’ny niteraka fahakiviana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany teto Toamasina ny fanafoanan’ny sambo “Costa” ny fitsidihany an’i Madagasikara, indrindra ny teto Toamasina, satria mamelona olona maro ny fandalovan’ity sambo mpitondra mpizaha tany ity mandritra izany, noho ny vokatry ny areti-mandoza pesta teto amintsika. Raha ny fanazavana azo izay mbola tsy niova hatreto aloha dia hiverina ny 06 novambra izao ny fandalovan’ity sambo mpitondra mpizaha tany ity, ka ny sambo “Costa Néo-Victoria” no ho avy mandritra izany, izay tsy hifarana raha tsy ny 12 martsa 2019 izany, izany hoe hanao fitsidihana in-17 an’i Toamasina ity sambo mpitondra mpizaha tany ity ka mpizaha tany manodidina ny 17.000 eo izany no hitsidika an’i Toamasina mandritra izany, satria manodidina ny 1.000 eo hatrany no entin’ity sambo be ity isaky ny tonga eto Toamasina. Ankilan’ny sambo Costa ity dia ho avy hifandimby aminy koa ny sambo “Aida Blue” izay sambo manokana mpitondra mpizaha tany teratany alemana fotsiny, izay hanao in-17 hitondra mpizaha tany eto Toamasina ihany koa. Ankoatra izay dia tsy ny eto Toamasina ihany no handalovan’ireo sambo roa mpitondra mpizaha tany ireo, fa eo koa ny ao Nosy be sy Antsiranana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici