- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversSambo rendrika : Olona 12 tsy hita popoka

Sambo rendrika : Olona 12 tsy hita popoka

Mbola tsy hita popka hatramin’ny omaly ny olona 12 isa narendriky ny sambo ny alarobia teo. Sambo kely iray mpitatitra entana mitondra ny anarana M/S Fanevasoa no rendrika teo anelanelan’ny CAP Masoala sy Mananara Avaratra.

Araka ny vaovao voaray tany an-toerana dia niala tao Cap Masoala izy io tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, nikasa hitodi-doha ho any Mananara Avaratra, kanjo izao tra-doza izao. Fantatra fa 12 ny olona tao anatin’ilay sambo, miaraka amin’ny hazo miisa 800. Nisy ny antso nataon’ireo mpiantsambo io maraina io ary teo no nahalalana fa misedra olana izy ireo eny ampovoan-dranomasina eny. Nahery vaika ny ranomasina ka nisy vaky ilay sambo ary nampiditra rano, antony izay nahatonga fahalentehan’ilay sambo.

Araka ny fanazavana ihany, manana « radeau de sauvetage artisanale » izy ireo, saingy hatreto dia tsy mbola misy hita ny olona tao anatin’ilay sambo. Efa tonga tany an-toerana ny manampahefana sy ny mpamonjy voina miara-mientana amin’ny fikarohana ireo niharam-boina ireo.

Manao antso avo ny tompon’andraikitra ho an’izay mahita trangan-javatra hafahafa manodidina ny morontsiraka Maroantsetra, Mananara Avaratra, Sainte Marie mba hampilaza ny manam-pahefana akaiky azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici