Taorian’i Toliara, Fianarantsoa, Mahajanga, Antsiranana, dia i Toamasina indray no nitondran’ny sampan-draharahan’ny hetra Malagasy ny fankalazany ny faha-20 taona nijoriany manokana, raha nitambatra tamin’ny ladoany izy teo aloha. “Hetra tsara lamina sy mangarahara, antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, izay no lohahevitra entin’ireo mpiasa mankalaza izany faha-20 taonany izany ankehitriny, ny volana oktobra 1998 ihany koa no niorina voalohany izany, tamin’ny naha-praiminisitra lefitra misahana ny ara-bola sy hetra an’Atoa Rajaonarivelo Pierrot. Raha ny fanazavana azo dia teto Toamasina no novolavolaina ity fananganana manokana ny sampan’ny fanangonan-ketra Malagasy mahaleo tena ity, 20 taona lasa izay, noho ny politika ho fampidiran-ketra ho fampitomboana ny fampidirana ny vola anatiny teto amintsika, izay mbola mitohy hatramin’izao, amin’ny fampiasana ireo teknolijia samy hafa. Vokatr’ireo politikan’ny hetra nataon’ny fanjakana nifandimby ara-dalana teto amintsika tao anatin’izay 20 taona izay, dia tsy nitsaha-niakatra izany volam-panjakana ara-ketra izany, izay mahatonga ny tahan’ny fampiasam-bolan’ny minisitera eto amintsika tsy mitsaha-mitombo isan-taona, satria mahatratra 12.000 miliara ny teti-bolam-panjakana miasa noho io tahan’ny fidiran-ketra io. Miisa 14 ny foiben’ny hetra eto amintsika izao, raha mahatratra 09 ny biraon-ketra isam-paritra ary miisa 101 ny ivon-toeran-ketra amin’ny distrika. Mpiasa miisa 2.062 no manodina izany manerana ny nosy ka ny 1.074 amin’izany dia ao amin’ny faritra Analamanga avokoa, raha miisa 161 amin’izany ho an’i Toamasina ahitana ny faritra Atsinanana sy ny faritra Analanjirofo mitambatra. Miisa 37 kosa ny an’ny faritra Alaotra-Mangoro. Raha ho an’i Toamasina dia efa mahatratra 96% ny mpandoa hetra no nahavita ny adidiny tamin’ity taona 2018 ity izay miisa 32.533 izany raha ny tarehimarika azo. Ankoatra izay dia nisy ny ady hevitra natao tao amin’ny efitra malalaky ny lapan’ny faritra Atsinanana mikasika “ny olom-pirenena mandray andraikitra mandoa hetra, antoky ny fampandrosoana ara-toekaren’i Madagasikara”. Teo koa ny fitokanana ny tsangambaton’ny faha-20 taona teo amin’ny arabe Boulevard Augagneur ary ny fampirantiana samihafa mikasika ny sampan-draharahan’ny hetra, natao teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena izay nialovahan’ny diaben’ny mpiasan’ny hetra.
Malala Didier