- Publicité -
mercredi, septembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsSampana mpamonjy voina sy haitrano Toamasina : Misy foana ireo mpanadalana, ka...

Sampana mpamonjy voina sy haitrano Toamasina : Misy foana ireo mpanadalana, ka ahiana ny fiantraikany atsy ho atsy

Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny fa misy mahita tombotsoa amin’ny fahitana an’i Toamasina may ho kilan’ny afo ve eto ? Ny antony mantsy dia mananihany sy manadala foana ny sampana mpamonjy voina sy haitrano Toamasina tato ho ato izany, ka mety tsy hahataitra azy ireo intsony ny atso ataon’olona azy ireo. Raha ny vaovao voaray izao dia nahazo antsy tamin’ny finday izy ireo tao Tanambao V, ary efa vonona ny hamonjy izany, no nisy indray anefa ny antso mifanohitra amin’ilay toerana niantso mialoha, tao Ambalakisoa fa nisy haitrano ihany koa. Voatery nizara roa ny fiaran’ny mpamonjy voina sy haitrano vokatra izany. Raha tonga tany amin’ilay haitrano voalaza faharoa tao Ambalakisoa anefa izy ireo, tsy nisy izany akory ilay trano may. Tezitra ireto mpamonjy voina sy haitrano ka niverina an-kazerina namonjy ny torimasony indray. Voalaza fa raha toe-tsain’olona ilay zatra mpananihany sy mpanadala olona no hamorery an’i Toamasina iray manontolo dia ho sahirana eto isika mianakavy. Mila fanavaozana sy hovaina noho izany ny toe-tsaina tia mananihany olona sao ahitana loza goavana raha tonga ny patsa iray tsy homby vava.

Malala Didier

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici