Ny marainan’ny faha 23 jona taona 2026 lasa teo iny, tokony tamin’ny 08 ora sy sasany, ny zandary miasa ao amin’ny zanatobi-paritra Morarano, any amin’ny kaominina ambanivohitra Sarobaratra, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka no nahasambotra lehilahy iray niaraka tamin’ny omby halatra roa teo am-pelatanany, izay voamarina fa halatra avy any amin’ny kaominina ambanivohitra Malakialina, disitrikan’i Mampikony, faritra Sofia. Nandritra ny fisamborana azy no nilaza anaran’olona monina ao amin’ny tanànan’i Sarobaratra nivarotra ireo omby roa ireo taminy, ity farany. Nosamborina tsy nisy hataka andro tao an-tranony ny voatonona ho mpivarotra tamin’io andro io, ary notanana natao » Garde à Vue » avy hatrany izy roalahy. Saingy efa nampidirina ambalam-pamonjana na ( fourrière ) ny omby roa mandra-pahavitan’ny fanamarihina ny fanolorana ny taratasy manamarina ny tompon’omby, ary efa nampandrenesina haka ireo olona roa azo sambom-belona ihany koa ny mpitandro ny filaminana ao Malakialina. Raha hiverenana hotantaraina tokoa ny tena zava-nitranga, dia lehilahy iray mipetraka any amin’ny tanànan’Antomponikatsaka, fokontany sy kaominina ambanivohitra Malakialina, disitrikan’i Mampikony no fantatra fa nalain’ny jiolahy tsy fantatra tao am-balany ny omby niisa efatra, tamin’iny volana may taona 2026 teo iny. Na dia teo aza ala nenina tamin’ny alalan’ny fanarahan-dia sy fikarohana nataon’ireo vatan-dehilahy, dia tsy nahitana vokatra izany. Tsy nitsahatra nitady ny bibiny anefa ny tompony, ka nanao ny fikarohana miafina tany amin’ny kaominina ambanivohitra Sarobaratra no nahatsikaritra ny omby roa azy, anisan’ny niaraka very tamin’ireo omby roa ambiny mbola tsy hita, ka nampandre ny zandary nalaky. Tamin’izay indrindra no nahatrarana ireo olona roa.
Ratantely





