- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversSarodrano-Maevatanana : Omby miisa 60 lasan'ny dahalo

Sarodrano-Maevatanana : Omby miisa 60 lasan’ny dahalo

Mirongatra ny asan-dahalo ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanana, am-polony ny omby lasan’ny dahalo isaky ny misy fanafihana. Tsy mampihontsona ireo jiolahy ny hetsika goavana ataon’ny mpitandro ny filaminana manoloana ny halatra omby aty an-toerana. Raha ny fampiam-baovao voaray hatrany dia andian-dahalo nirongo fiadiana no nanafika tao amin’ny fokontany Sarodrano, kaominina Maevatanana faharoa, ny alakamisy alina lasa teo. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany teo no nisehoan’izany. Nirefodrefotra ny basy. Omby miisa 60 no norobain’izy ireo, tao amin’ilay fokontany voalaza etsy aloha. Tsy nisy sahy nanohitra ny fokonolona fa samy nanamafy ny fijanona tao an-trano, ka sahin’ireo jiolahy ny nanafika sy nanapoaka basy ary naharitra telopolo minitra teo izany. Nandritra izay no nahazoan’ireo olon-dratsy omby 60 tao am-bala. Raha ny vaovao voaray hatrany dia mbola eo am-pelatanan’ireo malaso ny omby ary miroso makany amin’iny kaominina Mahazomà iny ny lalan’izy ireo. Marihina fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy nanadritra ny fanafihana niseho tao Saridrano. Mitohy hatrany fanenjehana ataon’ny zandary sy miaramila ary ny fokonolona.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici