- Publicité SW45 -
samedi, mai 18, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireItaosy : Sarona ny voly rongony

Itaosy : Sarona ny voly rongony

Voninkazo tsara tarehy no hita raha mijery avy lavitra. Saingy raha atonina dia rongony avokoa no eo anelanelan’izany. Saron’ny zandary eo anivon’ny borigady Itaosy ilay saha kely izay feno zava-mahadomelina rehefa tonga teny am-potontsofon’izy ireo ny loharanom-baovao mahakasika izany. Nosafoina ny toerana ary inona tokoa fa mivandravandra ny karazan-drongony tao anatin’ilay tokontany. Nosamborina ny efa-dahy tompon’antoka tamin’ity fambolena rongony ity. Tsy vitan’izany fa tena mpifoka koa izy ireo ary dia vesatra roa izany no anenjehana azy ara-pitsaràna : fambolena rongony, fifohana zava-mahadomelina. Noravaina hatramin’ny fotony koa ny voly ary nisy ampahany nogiazana sy nentina tamin’ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana mba hatao porofo eny amin’ny fitsaràna. Inona no tena tao an-tsain’ireto mpamboly rongony ireto? Tsy te-hisasatra intsony mitady ve fa eo an-tokontany fotsiny dia misy sa kosa noeritreretin’izy ireo fa tsy arahin’ny lalàna ny fambolena fa ny fidorohana ihany no azo enjehina sy raràna ? Raha ny zava-misy eto amintsika dia avy any Betroka (atsimo) sy Analabe (avaratra) no tena mpamatsy rongony an’andrenivohitra. Orinasa be mihitsy izany saingy miafina ary raha ny atontan’isa aza dia Madagasikara no mamokatra rongony be indrindra  amin’ireo nosy eo andrefan’I oseana Indiana. Teto an-drenivohitra indray dia vatsiana hatrany saingy toa mahatonga saina ihany ny mahita voly tetsy Itaosy toa izao, efa manandrana mamboly koa ve?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici