- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMenaka Hosoka tratra teto Toamasina: Saron’ny orinasa Hita ireo mpanao izany

Menaka Hosoka tratra teto Toamasina: Saron’ny orinasa Hita ireo mpanao izany

Sarona tao anaty tokantrano iray teto Toamasina ny menaka hosoka mitondra ny marika Hina. Nanao velampandrika ny orinasa Hita tompon’ny menaka ka izay tratra izao ny mpanao azy, ka naira-misambotra azy nandritra izany ny zandary sy ny orinasa ary ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa eto Toamasina. Raha ny fanazavana dia latsaka ambany be amin’ny famarotany orinasa azy ilay menaka satria amidin’izy ireo 7.000 ariary izany raha tokony ho 7.700 ariary izany miainga avy eny amin’ny orinasa Hita.  Hita fa efa ratry ny tavoahangy sy ny sarony ary “etiquette” momba izany araka ny fanazavan’ny orinasa Hita. Natao fitiliana ny maka hosoka ka hita tao aminy ilay akora na singa mankarary amin’ny menaka hosoka ity, ka avy hatrany dia nanao ny fanagiazana amin’ny fanapozinana mpanjifa ilay tokantrano nanao izany. Raha ny nambaran’ny orinas dia izy ireo hatrany no hiaran’ny fanakianana amin’ny tranga misy nefa tsy avy amin’izy ireo ny zava-miseho ka mankarary ireo mpihinana ny menaka; misy tratran’ny “allergies”, eo ireo marary kibo be, misy mihintsy ireo ankizy maty nihinana izany. Ankoatra izany dia entnanina hatrany ny mpanjifa mba hivatsy ireo menaka vokarin’ny orinasa tena izy, fa tsy faly hividy ny mora mankarary tahaka izao. Nenentana ihany koa ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny mba hanajana izany hisirohana ny zavatra metyhitranga amin’ny mpanjifa eto Toamasina sy manerana ny nosy. Efa manao ny fanadiadiana ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny zandary nahatratra ilay mpanao hosoka menaka ity.

Malala Didier 

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici