Misavorovoro tanteraka ny toe-draharaha ! Hisorohana ny mety ho sakoroka vaovao indray, toy izay nitranga tetsy amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano, dia nandray fepetra ny Fanjakana hanakatona vonjimaika izany trano fivavahana izany. Navoak’ireo mpitandro filaminana ny faritry ny fiangonana avokoa ireo mpino ny sabotsy lasa teo.
Nirava maina ireo mpino avy eo anivon’ny Jesosy Mamonjy saika hanatontosa fivoriana ny sabotsy maraina teo tetsy Ankorondrano. Notemerina mpitandro filaminana ny trano fivavahan’izy ireo ary nasaina nivoaka sy tsy nisy nahazo niditra tao intsony. Izany dia noho ny antony nisian’ny savorovoro nitranga tao an-toerana ny herin’ny sabotsy sy alahady lasa teo. Savorovoro, izay nifototra tamin’ny resaka fifidianana izay ho filoha hitondra ity antokom-pivavahana ity. Nizara roa tanteraka mantsy ireo mpino sy ireo mpitandrina ao an-toerana hatramin’izao. Ao ireo mpomba ny rafitra mipetraka amin’izao, izay voalaza fa tsy tokony mbola ho lany andro, ary ao ireo nikasa ny hanova izany rafitra izany ary nanantanteraka fifidianana izay ho filoha vaovao, izay tsy neken’ireo andaniny. Tsiahivina fa ny taona nivalona iny no nodimandry ny filoha mpitantana ity fiangonana ity ary izao iadian-kevitra izao, izay hisolo azy.
Raha ny omaly alahady manokana dia nangina tanteraka ny teny an-toerana, raha tomefy olona izany amin’ny fotoam-pivavahana mahazatra. Tanora avy eo anivon’ity fiangonana ity maromaro no mijoro sy misava eo amin’ny vavahady ary tsy mamela miditra ireo olona, afa-tsy izay manana « badge ». Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana mantsy dia toa hoe mandeha ny feo fa mety hisy « fanafihana » ary mety ho « tonga hatramin’ny fifofoana ny ain’ny mpitondra fivavahana ao an-toerana ity raharaha ity », raha ny fitantaran’ireto mpino ireto. Saingy mijanona ho siosion-dresaka ihany anefa aloha. Ireo mpitandro filaminana rahateo, tazana miselintselina eny an-toerana, manara-maso ny zava-misy. Marihina fa samy nitondra ny fanazavàny avy ny andaniny na ny ankilany ary samy nampiantso mpanao gazety teny an-toerana, afak’omaly sy omaly. Hatreto anefa aloha dia samy manaiky am-pilaminana ity fepetra noraisin’ny Fanjakana ity avokoa ny rehetra ary samy miandry izay mety ho tohiny. Indrindra fa ny fampiantsoana ny roa tonta, izay fantatra fa atao ny alarobia ho avy izao, raha tsy misy ny fiovàna.
m.L