- Publicité SW45 -
lundi, mai 20, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversScooter : Mpanamory iray miady amin’ny fahafatesana

Scooter : Mpanamory iray miady amin’ny fahafatesana

Isan’andro hatramin’ny faran’ny herinandro teo dia nandratra na namono olona hatrany ny fitaingenana moto scooter. Vao omaly ny gazety no nitatitra fahafatesan’olona teny Manjaka-Ilafy, anio indray dia misy iray miady amin’ny fahafatesana rehefa nazeran’ny kodiaran-droa. Tetsy Ambohitrimanjaka, omaly maraina no niseho ilay lozam-pifamoivoizana. Tamin’iny lalam-baovao izay mifanakaiky ny tetezana iny no hita nianjera ilay kodiaran-droa. Vaky tanteraka ny lohan’ny mpanamory ary rà mandriaka no hitan’ny olona izay nandalo. Avy hatrany dia nandeha ny feo fa maty tsy tsa-drano ilay lehilahy. Rehefa nohamarinina anefa dia mbola miady mafy izy any amin’ny hopitaly mba ho velon’aina. Naratra mafy koa ilay olona nentiny tao aoriana. Hatreto dia tsy voafaritra mazava ny tena nitarika ity lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona ity. Ny fanadihadiana izay nosokafan’ny mpitandro ny filaminana no hamaritra an’izany. Na izany aza dia tena mateti-pitranga loatra ny loza ateraky ny moto eo amin’ny manodidina ny tetezan’Ambohitrimanjaka ary betsaka ny efa namoy ny ainy tamin’izany. Ny faran’ny herinandro teo ihany koa dia mbola nitrangana lozam-pifampivozona kodiaran-droa teny Ampitatafika ka nifampitadiavana tamin’ny tambanjotran-tserasera mihitsy ny havan’ilay mpamily kodiaran-droa satria tsy fantatra ny momba azy. Noentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly ilay tovolahy ka tany ny havany no nasaina nijery azy raha nahita ny sariny tamin’ny tambanjotran-tserasera. Misesy ny loza ateraky ny moto, nisy ny maty ary nisy koa ny mbola miady aman’aina hatramin’izao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici