- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversScooter : Nahahafaty olona indray

Scooter : Nahahafaty olona indray

Tetsy Anosipatrana no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Tovolahy iray izay nandeha alina no niharan’izany ary namoy ny ainy. Nisy ny nilaza fa nidona tamin’ny sarety tao anatin’ny haizina ny kodiaran-droa nentiny. Mbola ny fanadihadiana no hamaritra an’izany satria ny moto efa amin’ny tany sy olona naratra be no hitan’ny olona teo an-toerana. Ny alin’iny ihany dia fantatra fa namoy ny ainy ilay mpanamory kodiaran-droa. Be loatra ny aina nafoy noho ny lozam-pifamoivoizana, indrindra eto an-drenivohitra. Ao ny fandehanana mafy, ao ny loza vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika ary ao koa ny tsy fifankahazoana momba ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana manoloana ny mpamily fiarakodia. Manodidina izany rehetra izany hatrany no mitarika ny loza amin’ny moto. Ankoatry ny hoe mety mamo na nidoroka ny mpanamory izany. Hatreto anefa efa tsy tàna intsony ny fiparitahan’ny kodiaran-droa eto an-drenivohitra satria izy kosa dia tena fitaovana manamora fiainana ho an’ny olona mivezivezy. Tokony eritreretina lalina ny fepetra tsy hiverimberenan’ny loza. Efa naroso hatrany ny hoe tokony manana fahazoan-dàlana manamory izany ary tokony ho olona ampy taona ny mpitondra moto. Etsy andanin’izany, tokony misy fanamarihana manokana (laharana) eny amin’izy ireny mba hahafahana mamantatra izay tompony. Izany rahateo dia mba mety mampihena ny tahan’ny halatra moto izay tena tsy an-kijanona ankehitriny. Mitady ho loza mitatao ho an’ny mpampiaza azy ny fitondràna moto eto an-drenivohitra ary mila dinihina lalina.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici