- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversSefo fokontany ao amin’ny « cité des Manguiers » : Mihetraketraka fatratra amin’ireo mponina ao...

Sefo fokontany ao amin’ny « cité des Manguiers » : Mihetraketraka fatratra amin’ireo mponina ao amin’ny fokontaniny…

Mampitaraina ireo vahoaka ao amin’ny fokontany misy azy ny toetra sy ny fihetsika tsy mendrika ataon’ny sefom-pokontany ao amin’ny cité Manguiers parecelle 32/21-22. Nivoaka tamin’ny fahangonany ny mponina ao amin’ity fokontany ity noho ity ramatoa sefom-pokontany ity. Voakitakita mihitsy ireo olona rehetra maka taratasy fanamarinam-ponenana izay nijoro vavolombelona tamin’ny mpanao gazety ; tena mahavita mandrahona ny mpiara-monina aminy mihintsy ity ramatoa sefom-pokontany ity araka ny filazan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Izany fahalalana olona ambony eto amin’ny firenana izany no anaovany izao fihetsika mamoan-tsampona izao ao amin’ny fokontaniny. Vokatra izany dia miantso ireo tompon’andraikitra mahefa ny mponina ao amin’ny fokontany cité des Manguiers, mba hijery akaiky izao raharaha misy izao. Tsy mendrika sefom-pokontany ny toetra asehon’ity ramatoa ity, ka ilaina ny fandraisana fepetra mikasika azy. Mandrahona hiroso amin’ny fitokonana ireo vahoaka ao amin’ny fokontany ka hitondran’izy ireo sora-baventy hitaky ny fialan’ity sefom-pokontany ity, raha tsy andray fepetra ny fanjakana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici