Mitaraina ireo mpitatitra amin’ny zava-manjo azy ireo noho ireo fepetra maro noraisin’ny fanjakana nefa mamoritra ireo mpitatitra kosa. Vokany, nanome 72 ora ny fanjakana ireto mpitatitra hamahana izany olana izany araka ny fanambaran’ireto mpitatitra. Ny anton’izao fanomezana fe-potoana ny fanjakana izao dia ny fahatsapan’ireto mpitatitra fa tena manararaotra loatra ny fanjakana amin’ny fakana vola eo amin’ny “Balance” amin’ny lalam-pirenena faharoa. 20.000 ariary isaky ny taonina no alain’ny fanjakana amin’ireo entana mihoatra ny 44 taonina nekena handeha amin’ny lalam-pirenena faha-02. Lafo loatra izany, hoy ireo mpitatitra sy ny tompon’ny kamiao, ka hangatahan’izy ireo ampidinina ho 10.000 ariary. Angatahan’izy ireo ampiakarina ho 50 taonina koa ny entana afaka mandeha tsy hakana sarany amin’ny “Balance”, satria saika izay avokoa ny lanjan’ny entana tonga avy any ivelany, hoy ireto mpitatitra entana. Ho azy ireo izay entana mihoatra an’io 50 taonina io no handoavana sarany amin’ny 10.000 ariary. Eo koa ny fidirana ao an’Antananarivo izay manomboka amin’ny 04 ora maraina, hatramin’ny 07 ora maraina ihany, ary ny fivoahana manomboka amin’ny 02 ora hatramin’ny 07 ora hariva ihany koa. Nambaran’ireto mpitatitra nihaona tamin’ny mpanao gazety ireto, fa 2.200.000 ariary ny saran’ny entana “container” iray 20’ miala eto Toamasima mihazo an’Antananarivo; izany anefa dia ialan’ny saran’ny solika mahatratra 1.650.000 ariary sy ny volan’ny mpamily sy ny mpanampy azy 60.000 ariary. Raha misy fahasimbana eny an-dalana nohon’ny fahasimbana sy ny haratsian’ny lalana, dia tsy misy raisina intsony ny tompon’ny fiara. Ankoatra izany dia olana ho an’ny fiara fitaterana ireto koa ny fametrahana ny “couvre feu” eny an-dalana. Saika tara avokoa ireo entana ahondrana eto amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina vokatra izany. Manginy fotsiny ihany koa ny ataon’ireo mpitandro ny filaminana an-dalana amin’ny fanararaotam-pahefany.
Malala Didier