- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSekolin’ny masera : Mpandoko trano toran’ny herinaratra

Sekolin’ny masera : Mpandoko trano toran’ny herinaratra

Efa fanaon’ity raim-pianakaviana miasa eo anivon’ny sekolin’ny masera iray eo akaikin’ny “maison de retraite” eto Toamasina ity, ny mandoko ny tafon-tranon’ity sekoly ity saika isan-taona. Koa voakarama manao izany ny tenany, ny sabotsy 12 may teo tokony ho tamin’ny 10ora ka roso niakatra ilay trano misy rihana. Tsy fantatra ny tena zava-nitranga, fa ny fikarapohany mafy tamin’ilay tafon-trano no nanaitra ireo relijiozy taty ambany, nefa tamin’izany no nahalalan’izy ireo fa voasinton’ilay taribin’ny herinaratra “moyen tension” mandalo 1,5m miala ilay tafon-trano ity rangahy ity. Voatery niantso mpamonjy voina ireo relijiozy nanaisotra azy tao ambony tafon-trano, nefa soa ihany fa mailo tamin’ny zava-niseho ity rangahy ity ka tsy maty fa izao torana izao fotsiny, nefa hita soritra ihany fa nisy fiantraikany tamin’ny vatany ilay herinaratra nanjo azy. Ho an’ny tale iraisam-paritry ny Jirama Toto Jean de Dieu, dia efa nilaza hatrany izy ireo, fa loza mitatao ho an’ireo manana trano mandalo tsy lavitra ireo taribin-jiron’ny Jirama manana tanjaka “moyen tension” ireo ny fanorenana ataon’izy ireo; nefa gaga hatrany ny Jirama fa mbola betsaka ny manao izany sy ny fahazoan-dalana havoakan’ny kaominina mikasika ireo fanorenana ireo. Nomarihan’izy ireo, fa mila fiarovana manokana ny fanakaikezana ireo tariby na herinaratra manana tanjaka avo be ireo, satria afa misintona olona 2m na 3m manodidina azy ny herinaratra voalaza ireo raha tsy misy io fiarovana manokana tokony hampiasaina io, koa manao antso avo mba samy handraisan’ny tsirairay ny fepetra amin’ireo manana trano tsy lavitra ireny tariby ireny, ny Jirama Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici