- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversSekoly eny Atsimondrano : Misy misoloky ho tompon’andraikitra ao amin’ny ministera

Sekoly eny Atsimondrano : Misy misoloky ho tompon’andraikitra ao amin’ny ministera

Fomba fiadin’ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny fandefasam-bola amin’ny finday indray ity ! Omaly, nisy ny fampitandremana nivoaka tao amin’ny tambazotra sosialin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, mahakasika ny fisiana mpisoloky ary tokony hahamailo tanteraka ireo talen-tsekoly eny an-toerana. Misandoka ho mpiasan’ny ministera ireo olona miantso ary mitaky vola sy fandefasana izany amin’ny alalan’ny finday. « (…) Misy ireto numero ireto: 0347210309 – 0334999670, miantso ny sekoly eny atsimondrano fa misy « Armoire », sy « table banc » fanomezana avy aty amin’ny Ministera hono ka mila livrer-na maika ary mila mandefa vola (Mvola) maika any amin’ny zareo ny Chef d’etablissement fa feno be hono ny tokotanin’ny Ministera sady izay etablissement tonga aloha no mahazo azy!» hoy voasoratra eo amin’izany pejin’ny ministera izany. Nilaza mazava anefa ny teo anivon’ministera fa tsy misy velively izany fanomezana fitaovana ho an’ny sekoly izany, indrindra moa fa hoe sandaina vola indray izany nony avy eo ary mila alefa maika amin’ny finday. « Manentana ny talen-tsekoly hampandre ny Ministera foibe raha sendra tojo ny trangan-javatra tahaka izao » hoy hatrany ny voarakitra. Nilaza ihany moa izy ireo fa nampandrenesina ary efa nalefa any amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny raharaha. Miandry izay ho valin’ny fanadihadiana araka izany ny rehetra. Ny azo antoka mantsy dia mety izay ao ambadik’ireo laharana ireo ihany no tompon’andraikitra amin’ireo karazana fisolokiana, miseho lany etsy sy eroa, indrindra moa fa amin’ity hoe fandefasana sy fametrahana vola ao anaty finday ity. Tsy mety lany fika mihitsy mantsy izy ireo ary mahay manova paik’ady foana, rehefa hitan’izy ireo fa efa be maharaka ny teti-dratsiny. Amin’izao dia io fisandohana sy filazàna ho mpiasam-panjakana ambony io indray no entin’izy ireo hanjonoana olona, izay efa tsy ny sarambabem-bahoaka intsony no lasibatra fa ireo tompon’andraikitra amin’ny sehatra samihafa.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici