- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSekreteram-panjakana miadidy ny zandary : Tsy handefitra amin’ireo manaratsy endrika ny zandary

Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary : Tsy handefitra amin’ireo manaratsy endrika ny zandary

« Mitaraina mafy ny tantsaha amin’izao fotoana izao noho ny antony roa : ny fandravana feno habibiana ataon’ny malaso. Ao kosa ny ataon’ny zandary sasantsany manao ny asa mifanohitra amin’ny maha-zandary azy. Ka eto ny tenako dia milaza, mba ahafahantsika mandamina an’ity tanintsika ity dia tsy maintsy ny ato anatiny aloha no alamina. Samy mahalala isika fa ny asan’ny zandary dia hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ary heloka bevava ho an’ny zandary ny minia manao asa mifanohtira amin’izany sady mandoto ny zandary rehetra » hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena vaovao, ny Jly Randriamahavalisoa R. Girard, io raha nampiantso ny mpanao gazety voalohany izy tetsy amin’ny birao fiasàny tetsy Betongolo. Teny hentitra izay midika sahady fa tsy handefitra velively amin’ireo zandary mpihoam-pefy izy, ireo mpanao kolikoly sy ireo naman’ny malaso. Isan’ny vaindohan-draharahany hoy izy ny hanadio tanteraka ny ao anatin’ny zandary, mba hiveren’ilay fitokisan’ny vahoaka ity vondron’ny mpitandro filaminana ity. « Tsy natao ho fitadiavam-bola ny asan’ny zandarimaria na natao hanaporetana ny tantsaha, handravana ny fananany amin’ny fomba tsy mendrika. Koa tsy maintsy averina sy porofointsika zandary fa olona nsiafidy hiaro ny vahoaka isika fa tsy natao hampijaly azy»

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici