- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversSEM Kardinaly Tsarahazana Desire : Niavaka ny nandraisan’ny vahoaka sy ny kristiana...

SEM Kardinaly Tsarahazana Desire : Niavaka ny nandraisan’ny vahoaka sy ny kristiana azy teto Toamasina

Omaly alakamisy 12 jolay tamin’ny 10ora latsaka 10min , tamin’ny alàlan’ny fiaramanidina manokan’ny orinasa MTA no nigadona teto Toamasina ny SEM kardinaly Tsarahazana Désiré. Niaraka tonga taminy koa ny vikera jeneralin’ny arsidiosezin’i Toamasina ; izay efa mpiara-miasa taminy tamin’ny naha-arsevekan’i Toamasina azy. Nanomboka tamin’ny 7ora maraina anefa dia efa feno vahoaka sy kristiana ny tokotany ben’ny seranampiaramanidina Ambalamanasy sy ny lalana rehetra efa voafaritra mialoha fa handalovany rehetra, dia : Antseranampasika – Salazamay – Ambohijafy – Valpinson – Ankirihiry – Tanambao V – Bd Augagneur – Araben’ny fahaleovantena – Bd Ratsimilaho – ary nipaka teo amin’ny katedraly katolika Ampasimazava ; izay toerana ipetrahany sy misy ny birao amin’ny maha-kardinaly azy. Taorian’ny lahateny fohy nataony ho an’ny vahoaka sy ny kristiana teny Ambalamanasy, dia niainga avy hatrany ny diabe niarahany tamin’ireo vahoaka sy ny kristiana izay naharitra adiny roa sy sasany nitety ireo làlana efa voasoritra handalovan’ny kardinaly SEM Tsarahazana Désiré izao. Nandritra ny teny fohy nataony no nilazany, fa tao anatin’ny fanamasinana ireo tanora nandray ny sakrametan’ny fanomezan-toky (confirmation) teo anivon’ny fiangonana Notre Dame de Lourdes ny tenany no namoaka ny lisitr’ ireo kardinaly notendren’ ny papa ray masina ; nambarany fa sady taitra izy no tsy nanam-po ihany koa, saingy nanamarina izany ireo eveka namany sy ireo mpiara-miasa aminy taorian’izay. Nomarihan’ny kardinaly SEM Tsarahazana Désiré anefa, fa soa lehibe ho an’i Madagasikara ny fahazoana kardinaly izao, satria efa taona maro no tsy nanana izany intsony i Madagasikara taorian’ny nahafaty ny kardinaly teo aloha ; ary matoa tontosa izany dia ny valim-bavaka nataon’ny mpino sy ny kristiana maro ihany koa ka vonona amin’ny asa masina nampiandraiketina azy izy, ao anatin’ilay tanjona efa nosoritany hatramin’izay dia ny hoe « aza manaiky ho resin’ny ratsy, reseo amin’ny soa ny ratsy ». Hisy ny fandraisana am-pomba ofisialy hataon’ireo tompon’andraiki-panjakana azy anio .Ny alahady 15 jolay izao kosa dia hisy ny lamesa lehibe ao amin’ny kianjan’ny Stella Maris, hotarihan’ny kardinaly, izay hatrehan’ireo kristiana maro eran’i Madagasikara.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici