- Publicité SW45 -
mercredi, novembre 13, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina : Sembana ampandihizina, saika fitsaram-bahoaka

Toamasina : Sembana ampandihizina, saika fitsaram-bahoaka

Tezitra ny olona ary efa nanomboka nikasi-tànana.

Natao fitadiavam-bola ilay olona sembana. Ampidirina ao anaty gony ary asaina mandihy. Tatazana avy eo ny « rakitra ». Sady tsy nahatsikaiky ny olona no tsy nanala voly azy ireo ny fahitàna izany tamin’ity indray mitoraka ity, tao Toamasina. Vao mainka aza nanohina sy nahatezitra ny maro. Ary dia saika raikitra ny fitsaram-bahoaka. Poa toa izay dia efa hipoka olona teo an-toerana. Olona efa vonona ny hikasi-tànana. Soa fa vetivety dia tonga ny polisy ary nanala haingana teo an-toerana ireo mpanao « cirque » hafahafa. Nobataina tao anaty fiaran’ny mpitandro ny filaminana ilay sembana tao anaty gony ary koa ireo izay niaraka taminy. Nanokafana fanadihadiana izy ireo satria azo raisina ho famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana ny nitranga. Ny fokontany rahateo dia tsy nahazo fangatahana alàlana mifanandrify amin’izany. Niverina kosa ny filaminana taorian’izany. Eo ihany ny tsy fahaizana lalàna, ahoana tokoa moa no hiheverana fa ho ain’ireo olona sasany ny lalàna kanefa ny tongony aza zara raha nandia sekoly? Ny tena misongadina koa dia ny fihitaran’ny sain’ny olona any amin’ny fitadiavam-bola. Ampiasaina avokoa izay eo am-pelantànana sy hita maso, eny fa na dia olona sembana aza. Nanafintohina ny maro ity zava-nisy tao Toamasina ity.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici