- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversSeranam-piaramanidina - Ivato : Rangahy maty tampoka teo am-pitsenana olona

Seranam-piaramanidina – Ivato : Rangahy maty tampoka teo am-pitsenana olona

Omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora teo no nitrangan’ity loza ity , teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Araka ny loharanom-baovao voaray dia fantatra fa rangahy  sahabo eo amin’ny 50 taona eo no maty tampoka, tsy fantatra mazava tsara hoe naninona. Araka ny loharanom-baovao voaray dia handeha hitsena olona eny Ivato no anton-dian’ity rangahy ity , kanjo izao namoy ny ainy izao izy. Rehefa nosavaina ireo zavatra tany am-paosin’ity rangahy ity dia lakile ana fiara no hita teny aminy, saingy tsy hita kosa izay misy ny fiara na taiza na taiza.  Samy nandray andraikitra avokoa moa ireo izay  nahita teny an-toerana tamin’ny fanavotana ny ain’ity rangahy ity . Fantatra fa mbola nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly izy ity , saingy tsy tana intsony kosa ny ainy tamin’ny farany.  Na dia teo aza ireo fikarakarana ireo dia voalaza ihany koa fa nisy ny fahatarana teo amin’ny fahatongavan’ny “ambulance”. Efa noraisiny fianakaviana an-tanana moa ny razana amin’izao fotoana izao. Betsaka ny olona ankehitriny no maty an-dalana , toy ny tetsy Anosizato manokana dia rangahy iray ihany koa no maty ho azy teny an-dalana izay tsy fantatra hoe naninona, efa nokarakarain’ny BMH moa ny razana.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici