
Nihaona tamin’ny mpanao gazety teto Toamasina ny tale jeneralin’ny seranan-tsambo, nanambarany ny fahasimba sy fanerenana ny seranana ary ny tontolo manodidina azy, taorian’ny rivodoza farany teto teto Toamasina. Araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Spat dia volana vitsy nandraisan’ny seranana no nitrangainy rivodoza iny, any ka sedra ho azy amin’ny fitantanana ny seranana izany, ka mila vola 9,5miliara ariary izy ireo amin’ny fanarenana ny seranana sy ny manodidina azy rehetra. Mba ho tonga seranana ho « port 2.0 » ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Nambarany tale jeneraly ihany koa fa tena mafy ny fanamboarana ny seranaan amin’izao fanitarana atao izao, satria tsy nahitana fahasimbana ny fanitarana izay natao hany ka hotokanana ny faha-21 martsa izao ny ambahany fiantsonan’ny sambo mirefy 370m amin’ ny 470m eo anivon’ny seranana amin’ny fanitarana. Io ilay antsoina hoe C4 izay manana halalina 16m ary handray sambo mirefy voalohany 234m amin’ny fotoana hitokanana azy io, izany hany sambany ho raisin’i Toamasina izany sambo goavana mpitondra entana izany. Ezahina ho vita ny volana jona 2028 ny asa na eo aza ny fahatarana nitambatambatra an-taonany maro amin’ny fanitarana ; hany ka mitady vola fanampiny amin’ny fanamboarana ny Spat ankehitriny fanitarana hatao, izay tsy hampihova ny fandraisana ny asa vita rehetra izay mitohy hatrany taorian’ny rivodoza noho hamafin’ny asa vita.
Amin’ny maha-orinasa tompon’andrakitritra ny Spat amin’ny fiaraha-monina misy azy, dia misy koa ny fanampiana ataony ho an’ny fiaraha-monina simban’ny rivodoza. Hisy ny fandraisany anraja amin’ny fanamboarana ny hopitaly be, ka ny ivo-toerana mpikarakara sy mpitsabo ireo marary saina eo anivon’ny hopitaly be no harenina amin’izany. Hisy koa ny fanarenana ireo sekoly nahafantarana an’i Toamasina hatramin’izay, toy ny Ceg Radama sy ny Lycée J Rabemananjara ary ny oniversiten’i Toamasina. Hisy ny fanarenana ireo sekoly ireo amin’ny laniny vokatry ny fahasimbana izay tsy maintsy ho vita tsy ho ela mba hafaka hianaran’ny mpianatra. Ny oniversite izao dia efa nandany 650 tapitrisa ariary ny Spat nanarenana ny tranon’ny mpianatra izay ireo mpianatra ihany no nanarina azy, mba hahazoany vola ao anatiny izany. Eo koa ny fanerenana ny MIAMI eny amoron-dranomasina izay ny Spat no nanamboatra izany ary nandaniana vola manodidina ny 02 miliara ariary izay niarahany tamin’ny orinasa Smmc.
Ankoatra izay dia efa manarina ny amin’ny seranan-tsambo ko aizy ireo, ka telo andro taorian’ny rivodoza dia efa vita ny fanarenana ny simva amin’ny asa mampidi-bola ho an’ny Spat rehetra teo anivon’ny seranana. Ny 82% ny entana miditra sy mivoaka eto Madagasikara mantsy dia avy eo anivon’ny senan-tsambon’i Toamasina avokoa. Nanome aina ireo orinasa teto Toamasina ny Spat tamin’ny fanarenana natao rehetra, ka orinasa 16 noraisina manarina ny tranon’ny mpiasa izay miisa eo amin’ny 20 eo ho eo, izayandaniany Spat vola 2,4 miliara ariary, ao anatin’izany ny fanarenana ireo trano fipetrahan’ny mpiasa ireo.
Malala Didier


