Nisafidy ny andron’ny sabotsy teo nambolena zanakazo ireo mpiasan’ny seranana izay notarihan’ny tale jeneraliny ny sabotsy teo. Nisafidy ny hamboly zanakazo zanatany izy ireo izay miisa 5.000 no novolena mba hanarenana haingana ny fahasimbana tao Ivoloina vokatry ny rivodoza Gezani farany izay nahafaty biby ompiana ao amin’ny « parc Ivoloina ». Raha 3.000 fototra izany tamin’ny taona lasa, Mirefy 280ha ny toerana ao amin’ny « parc ivoloina » ity, ka nisaoran’ny talen’ny « parc » ny ireo anivon’ny Spat tsy manadino azy ireo isan-taona amin’ny fambolen-kazo, ka afka misafidy ny zanakazo fihinamboa amin’ny taona ho avy hoy ny tale jeneralin’ny orinasa. Ireo departemanta samy hafa ny orinasa Spat no tonga samy nanefa ny adidiny ho an’i Tanindrazana ny sabotsy io. Nanambara anefa ny tale mpitantana ny “parc Ivoloina” fa hatramin’ny Gezani iny no mankaty dia nitombo ny filana ara-tsakafo ho an’ireo biby ompiana ao anatiny vokatry ny fahasimbana tamin’ny ala fihinan’ireo biby. Raha 6 taonina isam-bolana izany teo aloha, dia mahatratra 10 taonina kosa izany ankehitriny; ka izay no tsara hambolena hazo fihinamboa ao amin’izy ireo. Fantatra ihany koa fa fanaovana fanazarana hazo vahiny avy any ivelany ny “parc” tany aloha tamin’ny andron’ny vahiny nisahana azy, ka ankehitriny dia miverina mamboly zanakazo zanatany izy ireo hamenoana sy hanatevenana ny ala ao.
Malala Didier




