- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSeranan’Ivato : Grenady hita tao anaty entan’ny Sinoa

Seranan’Ivato : Grenady hita tao anaty entan’ny Sinoa

Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina omaly, nandritry ny fisavàna mahazatra izay nataon’ny pôlisy misahana ny fiarovana ny habakabaka sy ny sisin-tany (PAF) no nahatrarana ity fitaovam-piadiana ity. Tao anaty « bagage à main » izay an’ny teratany sinoa iray no nahitàna grenady, raha araka ny vaovao azo tamin’ny pôlisy. Zotra miala eto Antananarivo ary hihazo an’i Morondava, no saika handehanan’ity vahiny ity no izao izy tratra izao. Nandritra ny fanadihadiana voalohany natao taminy no nahafantaran’ny pôlisy, fa sinoa monina eto Madagasikara ihany io nosamborina io. Mbola nanafarana manampahaizana momba ny fitaovam-piadiana mba hijery ifotony ilay grenady mba hahafantarana azy na « offensive » na koa « défensive ». Miankina amin’izay ny hahafahana manampy ny vesatra izay hanenjehana azy ara-pitsarana. Mahatalanjona ihany ny fahasahian’ity sinoa ity hitondra grenady ao anaty « bagage à main », entana izay savaina voalohany indrindra rehefa alohan’ny hidirana ny efitrano fiondranana. Na ny mpanondrana volamena aza tsy sahy manao ny toa ny nataony rehefa hanao ny asaratsiny raha tsy efa misy tambajotra maty paika sy lamina mipetrapetraka. Omaly ihany dia efa nosokafana ny fanadihadiana nataon’ny PAF an’ity terata sinoa ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici