- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSinoa nivadim-pitokisana : Sahy mitsipaka ny didim-pitsarana

Sinoa nivadim-pitokisana : Sahy mitsipaka ny didim-pitsarana

Malagasy no nindramany vola ka rehefa teo am-pamerenana an’izany dia taratsim-bola tsy misy antoka no nomeny. Rehefa  niakatra fitsarana ny raharaha dia ny nivoaka ny didy izay milaza fa noho ny tsy fisian’ny vola dia didiana ny fanomezana ny fiaran’ilay sinoa amin’ilay teratany Malagasy. Nangataka raharaham-pihavanana I X.C taorian’izay ary rehefa tsy voaefa izany dia namoaka didy fanindroany ny fitsarana ny amin’ny hanaovana lavanty ampahibemaso ary tsy misy hatak’andro ilay fiara hatrany. Tsy vitan’izany aza fa mbola voakasika koa ny entan’ilay sinoa hafa izay mety hahavoaefa ny vola anànana taminy. Mbola tsy tontosa indray izany didy izany raha araka ny fanazavan’ny mpitory. Aminy dia mahita làlana ambanin’ny tany tanteraka ilay sinoa I X.C ary porofon’izany izao didim-pitsaràna tsy nampiharina izao na dia efa teo imason’ny mpitsara, indroa miantoana aza, ny fifanarahana rehetra izay natao. Tapi-dalan-kaleha ankehitriny ny mpitory satria ny ambaratongam-pitsarana izay mifanandrify amin’ity raharaha ity dia efa namoaka didy izay nahazoany fandresena avokoa saingy ny didy dia tsy nisy tontosa noho ny antony tsy mazava. Antony iray izay hanintomany ny manam-pahefana tompon’andraikitra izany ankehitriny satria aminy dia tsy misy tany tan-dalàna intsony eto raha toa ka ny didim-pitsarana no sahin’ny vahiny tsipahina toa izao.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici