- Publicité -
samedi, octobre 17, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSinoa tafatsoaka : Nivoaka tamin'ny fahanginany ny masoivoho n'i Chine

Sinoa tafatsoaka : Nivoaka tamin’ny fahanginany ny masoivoho n’i Chine

« Manara-maso akaiky ny raharaha mahakasika ireo teratany sinoa miisa 11 voalaza fa tafatsoaka ny fonjan’Avaradrano. Maneho ny fahavononana hiaraka hiasa amin’ny manampahefana malagasy ny masoivoho  amin’ny ezaka iadiana amin’ny heloka an’habaka, indrindra ny fisolokiana amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra ». Izay raha fintinina fohy ny fanambaran’ny masoivohon’i Chine eto amintsika, izay nanamafy fa tranga mitokana ity raharaha ity, ka tsy tokony hanimba ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’i Chine sy i Madagasikara amin’ny ady amin’ny heloka an’habaka.« Vonona hanome ny fiaraha-miasa feno amin’ny governemanta malagasy ny ankolafy sinoa ary hanohy ny ezaka hentitra amin’ny famongorana ny fisolokiana amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara », hoy ny ampahany amin’ny fanambarana. Naneho ny fanantenany ihany koa ny Masoivohon’i Chine fa amin’ny alalan’ny ezaka iarahan’ny firenena roa tonta no hahafahana manafoana tanteraka ny valan’aretin’ny heloka an’habaka eto Madagasikara. Etsy ankilany, mbola andrasan’ny maro ny fivoaran’ny fanadihadiana sy ny mety ho fisamborana ireo olona heverina fa manana andraikitra lehibe ao ambadik’ity raharaha ity. Hatreto dia samy miaro ny rambony tsy ho tapaka aloha izay mety ho tompon’andraikitra ambony, indrindra amin’izao ankatoky ny mety ho fanovana mpikambana eo anivon’ny governemanta izao.

Manaraka akaiky ny vokatry ny fanadihadiana ihany koa ny olom-pirenena. Ankoatra ny fitsoahan’ireo voafonja, mampametra-panontaniana ny maro ny fomba nahafahan’izy ireo nitsoaka sy ny mety ho fisian’ny tsy fanarahan-dalàna na kolikoly tao ambadik’izany. Mbola miankina amin’ny porofo sy ny vokatry ny fanadihadiana anefa ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay. Tsiahivina fa vao herinandro lasa izay no nanamafy ny mpitantana ny firenena fa tsy handefitra amin’ny kolikoly, na iza na iza tompon’andraikitra voakasik’izany, eny fa na dia minisitra aza. Araka izany, tsy ny fahatrarana ireo Sinoa 11 tafatsoaka ihany no andrasan’ny rehetra amin’ity raharaha ity, fa indrindra koa ny fahafantarana ny tena zava-nitranga sy ny mety ho andraikitry ny olona hafa, na iza na iza, raha toa ka misy porofo manamarina izany. Ny mangarahara amin’ny fanadihadiana sy ny fampiharana ny lalàna tsy an-kanavaka no andrasan’ny vahoaka amin’ireo manampahefana voakasik’ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici