Ny mpiray tanàna iray manontolo mihitsy no indray taitra sy nandray andraikitra tao Sirama- Ambilobe, vokatry ny hetraketraky ny olona iray nitam-basy. Raha araka ny fantatra dia nisy olona nananany vola ka nitongavany tao an-tranony mba hitakiana an’izany. Nisy nahatsikaritra izany ka nahatonga azy hanaitra ny fokonolona izay tonga maro tao anatin’ny fotoana fohy. Voatery nanome ny fitaovam-piadiana ilay lehilahy nanoloana ireo olona marobe. Nitsoaka niantso vonjy tany amin’ny zandary izy taorian’izay ary nisy ny fidinana an-tsehatra mba ho fiarovana ny ainy. Tsy nisy akory ny fampiasan-kery fa kosa novoriana ireo olona izay sorena tamin’ny zava-nitranga ary nampihaonina tamin’ny fianakavian’ilay olona saika hitifitra. Nitondra voka-tsoa izany satria mba nilamina ihany ireo olona marobe rehefa nisy ny fifampiresahana sy fifampidinihina. Na izany aza dia tokon hisy ihany ny fanadihadiana misokatra amin’ilay fampiasana basy entina hanorohoroana olona. Amin’ny lafiny iray mantsy dia azo raisina ho fikasàna hamono olona ny zava-nitranga rehefa nanambana basy ilay lehilahy.
D.R