- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversSiramamy nifangaro « cocaine » saron’ny zandary : Nodorana ny sabotsy ireo lasaka miisa 18...

Siramamy nifangaro « cocaine » saron’ny zandary : Nodorana ny sabotsy ireo lasaka miisa 18 nogiazana

Ny 22 novambra 2021 teo dia nahasarona lasaka siramamy nifangaro tamin’ny « cocaine pure » ny zandary teto Toamasina, tao amin’ny seranan-tsambo. Noho ny mbola tsy fananantsika ny fitiliana izany rongony mahery vaika izany, dia nisy ny fandefasana izany tany Antananarivo, ka ireo tompon’andraikitra indray no niara-niasa tamin’ireo masohivoho amerikana sy ny frantsay tamin’ny fitiliana azy. Teo no nahalalana fa mbola « cocaine pure » tsy azo ampiasana ity tao anatin’ireo siramamy, ka ny 1g amin’ireto “cocaine pure” hahazoana 10g aorian’izay.

Raha ny fanazavana hatrany dia io datin’ny 22 novambra 2021 ihany koa no nanaovana fanagiazana ireo siramamy avy any Bresil nahitana ireto « cocaine pure » ireto. Voasoratra tamin’ny taratasy fanagiazana tamin’izany fa izany Atoa Raheriniaina Jean Nestor sy ny namany izany no enjehina amin’izao raharaha izao. Efa misy iray tratra, fa mbola karohina ireo mpiara-dia taminy. Ny fanjakana malagasy kosa no mpitory. Mikasika ny fanafarana vokatra mampidi-doza sy fanaovana fikambanan-jiolahy ary fangalarana asan’olona no hanenjahana ireo voarohirohy tamin’izany.

Raha ny momba ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra momba ity rongony mahery vaika ity, dia tsy marina ny ahiahin’ny maro fa voahodinkodina ilay vokatra nogiazana ; ary tsy marina koa ny ahiahy tamin’ny filazana fa efa nivadika lafarinina ireo « cocaine pure » voageja teo anivon’ny zandary Toamasina ireto. Ny fanazavana hatrany koa no nahalalana fa tsy teto Madagasikara no saika nandefasana azy ireo fa tany Eropa, saingy nifandiso taty amintsika indray, raha tao Maurice no tena tokony hialan’ny entana, ary niandry ny ho fanondranana azy indray teto ho any Eropa, kanjo izao tratran’ny zandary izao.

Nisy ny fandorana ilay siramamy nifangaro « cocaine pure » ny sabotsy teo, nataon’ny fitsarana sy ny zandary ary ny ladoany, notronin’ny mpanao gazety. Tao Tanandava no nanaovana ny fandorana, nampiasana lasantsy mihitsy mba tena ho levona tanteraka. Nanamarika ny tonia mpampanoa lalanan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, izany isan’ny niatrika ny fandorana, fa teratany malagasy avokoa ny tao anatin’ny raharaha raha ny antontan-taratasy eo amin’izy ireo, saingy mbola misy ireo karohina na dia efa misy aza ny voasambotra.

Ankoatra izay koa dia nanamarika ny tonia mpampanoa lalanan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ity, fa misy ireo tambajotran-tserasera manaratsy be fahatany ny fitsarana. Isan’izany ilay raharaha nitranga ny sabotsy 4 jona teo izay namotsoran’ny fitsarana olona nosamborina voalaza fa nangalatra moto, kanefa tsy misy ifandraisan’ireo voasambotra ny raharaha. Afaka manontany ny fampanoavana ireo tsy mahay ny asam-pitsarana sy te-hahalala ny tena zava-misy marina momba iny raharaha iray. Hihenjana ny fampanoavana manomboka izao amin’ireo olona manely vaovao tsy marina momba ny fitsarana ireo. Efa be loatra izany, hoy ny tonia mpampanoa lalana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici