Na dia maro aza ireo naratra tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Sampana lehilahy kristiana (SLK) FJKM Miandrarivo-Ambanidia tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ankazobe ny Alatsinainy lasa teo, tsy hitory na iza na iza ireo niharam-boina. Tsy mitana na iza na iza ho tampon’antoka tamin’iny raharaha iny izahay, hoy ny Mpitandrina ao amin’ity Fiangonana ity, raha nanontanina ny heviny mikasika izany. Ity Mpitandrina ity, izay isan’ireo naratra tamin’izany ihany koa, raha ny fitantarany, saingy efa nahazo fitsaboana ara-dalàna ka efa nivoaka ny hôpitaly. Nomarihiny fa 24 izy ireo no nandeha tamin’io fiara Sprinter io, niala avy any Mahajanga. 14 izahay no naratra, hoy izy, ka ny roa no tena voa mafy ary mbola tazonina eny amin’ny hôpitaly. Nambarany fa mbola tsy mahatsiaro tena ny iray hatramin’ny omaly.
Tsy hametraka olana amin’ny tompon’ny fiara ny Fiangonana, hoy ity Mpitandrina ity, satria samy miaiky ny rehetra fa tsy nanana olana teknika mihitsy ilay fiara nandritra ny dia. Nambarany ihany koa fa ity fiara izay miasa manao taxibe ao amin’ny zotra 147 ity dia olona ao amin’ny SLK Miandrarivo ihany no tompony. Ho fanamorana ny dia no nanomezan’ilay tompony sy nakan’ny fiangonana ilay fiara. Nitranga iny loza iny, hoy ny fanazavany, satria nivaha ny bilao nitana ny fitoeran’entana tao ambony tafo. Nivaha ny teo amin’ny ankavanana ka nitarika ny vesatry ny entana nankany ankavia ka namarina ilay fiara tany amin’ny ankavian-dalana. Aminy, tsy sitrapon’ity mpamily ity mihitsy no nahatonga izany fa loza efa ho tonga fotsiny ihany. Antony iray izay nahatonga azy hilaza fa mety ho fizahan-toetra ataon’Andriamanitra izao, raha nampahatsiahy ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ireo STK sy SAMPATI avy any Soavinadriana tamin’ny faran’ny volana Aogositra iny ny tenany.
T .M.