Taxi-brousse iray mampitohy ny renivohitra sy Soavinandriana no lasibatry ny olon-dratsy omaly vao mangiran-dratsy, tamin’iny lalam-pirenana voalohany iny. Na dia teo aza ny tifitra variraraka, dia tsy nisy ny namoy ny ainy, na ny naratra. Ireo entana sarobidy sy vola kosa no lasan’ireo olon-dratsy. Toerana mialoha kely ny tananan’i Soamahamanina no nitrangan’ity fanafihana ity raha ny fantatra, tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any. Fomban’ireo taxi-brousse rezionaly rehetra no miainga vao maraim-be any amin’ny toerana misy azy any, mba hiditra maraina eto an-drenivohitra. Anisan’izany ity fiara iray avy any Soavinandriana ity. Tamin’ny roa ora maraina mahery tany ho any izy no niala tany an-toerana. Tokony ho tamin’ny telo ora teo ho eo izy izany no niditra ny tananan’i Soamahamanina. Niala kely ny tanana anefa dia nisy olona nanao fanamiana mpitandro filaminana nanakana azy ireo, toy ireny mpitandro filaminana manao « PR » ireny. Vao nijanona anefa ilay fiara, avy hatrany dia nirefodrefotra ny basy. Nentin’izy ireo nampitahorana ireo mpandeha tao anatiny sy ny mpamily tsy hanetsika ny fiara. Tamin’izay no nanaraoraotra nanao ny asa ratsiny ireto olon-dratsy. Ratsy dia ratsy tokoa iny toerana iny satria ambonin’ny lalana izay efa miolankolana be ihany, dia somary latsaka anaty vohitra roa ny lalana ka zara raha mahazo tambajotram-pifandraisana. Nanao izay danin’ny kibony araka izany ireto jiolahy ireto naka izay zakany ary lasa nitsoaka. Fantatra kosa fa nanohy ny diany niakatra ny renivohitra ihany ity fiara voatafika ity. Ary lasa kelikely vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana. Efa manao ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy moa ireto farany amin’izao fotoana izao.
m.L