Tsy vitsy tokoa no tsy mikolay tato ho ato noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra Ambohimahitsy, Ambatomaro, Ambohimangakely sy ny Soamandrariny iny. Ankoatry ny resaka fanendahana mantsy dia niha nahazo vahana ihany koa ny resaka vaky trano, tato anatin’ny telo volana izay, araka ny fanazavana azo. Maro ireo fitarainana azo, tamin’ireo faritra ireo, hoy ny teo anivon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny, antony iray nanaovan’izy ireo hetsika manokana, hikarohana ireo izay mety ho nahavanon-doza. « Nisy ny olona efa noahiahiana tamin’izany ka natao ny fikarohana » hoy izy ireo. Tsy ela dia nivaly ny fikarohana ka tratra tamin’izany tetsy Ambohimahitsy ny tovolahy iray tao anatin’ireo nohahiahiana ireo. Raha ny fantatra dia efa gadralava ny lehilahy, noho izay resaka asa ratsy izay hatrany. Efa indroa nifonja noho ny resaka vaky trano izy io ary vao tsy ela no nivoaka avy any, araka ny fanazavana hatrany. Rehefa natao tokoa ny famotorana ny lehilahy dia niaiky izy fa anisan’ireo tontakely nanao ireo fandikan-dalàna ireo.
Tsy izy irery ihany anefa fa mbola misy namany hafa, raha ny voalaza hatrany. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana azy ireo eny anivon’ny zandary. Ho an’ity farany aloha dia efa niandry azy indray ny fonja, taorian’ny fanolorana azy teny anivon’ny Fampanaovana.
m.L