- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoamanandrariny : Tovovavy nikasa hamono tena nitsoraka tambany fiara

Soamanandrariny : Tovovavy nikasa hamono tena nitsoraka tambany fiara

Tovovavy iray no nitsoraka teo ambanin’ny kodiaran’ny fiara, teny Soamanandrariny Rocade Iarivo, ny zoma tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Araka ny filazan’ny manodidina dia nanandrana hamono tena izy, saingy voavonjin’ny fokonolona ka nentina haingana teny amin’ny Hopitaly Manarapenitra Ambohimangakely noho ny ratra nahazo azy. Tsy afaka milaza ny anarany izy ary mbola mirediredy, ka tsy fantatra mazava ny mombamomba azy. Ny hany fantatra dia mpianatra eny Ankatso, lalam-piofanana tantara, ary mipetraka eny Avaradoha. Voalaza fa any Moramanga ny ray aman-dreniny. Noraisin’ny zandary an-tanana ny momba azy ary nanokatra fanadihadiana izy ireo. Tsy voalohany ny nisehoan’ny tanora mikasa hamono tena tahaka izao. Toe-javatra miseho matetika eny amin’ny fiaraha-monina eny. Matetika noho ny famoizam-po sy olana eo amin’ny fitiavana no mahatonga ireny olona ireny manao fihetsika toy izao. Manokatra fanadihadiana foana ny mpitandro filaminana rehefa misy tranga toy izao.

Yv Sam

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici