Zava-doza no niseho ny alakamisy hariva teo teny amin’iny faritra Soamanandrariny, kaominina Ambohimangakely iny omaly. Ankizy telo, nitaingina « manège » no natsipin’ity farany. Ny zandriny indrindra, izay vao herintaona sy tapany monja no namoy ny ainy, raha samy naratra avokoa ireo zokiny roa. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any no nitranga ity loza namoizana ain’olona ity. Nivaha tampoka ny rojo natao ho arolozan’ireo seza hipetrahan’ireo mpitaingina, kanefa efa voatosika sy tafakatra ambony ilay « manège ». Ny antony dia tsy fantatra aloha hatreto, na noho ilay fitaovana efa antitra na ny tandrevaka teo amin’ny fampiakarana ireo mpitaingina. Angom-baovao hafa ihany koa mantsy no nahafantarana fa hoe nifampisaringotra teny am-pandehanana ireo seza nisy an’ireto ankizy ireo. Nivaha io rojo aroloza io. Nipitika vokatr’izay ireo ankizy roa, herintaona sy tapany ny iray ary tokony ho telo taona eo ny iray teo amin’ny seza voalohany. Nanaraka izany ny ankizy iray teo amin’ny seza faharoa, saingy ity farany, voatatin’ilay tovolahy, tompon’andraikitr’ilay kilalao. Kanefa mbola nahitàna faharatràna ihany. Ireo roa voalohany no tena voa mafy. Fianjeràna, nahatratra amina metatra maromaro teo ho eo no niandry azy ireo. Teo amin’ny lohany ny an’ilay kely indrindra ary voa teo amin’ny tongony kosa ilay namany. Noezahina nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ireto naratra, saingy tsy tana intsony ny ain’ilay kely indrindra. Efa fotoana elaela taty aoriana vao nisy nampandre mahakasika ity tranga ity izahany, hoy ireo zandary misahana iny faritra iny. Teo no ho no eo ihany moa dia notazomina sy nanaovana fanadihadiana ilay tovolahy tompon’andraikitra teo amin’ireo « manège » ireo.
m.L