Fiara Sprinter iray mitondra ny laharana 2199 TAB, miasa ao amin’ny zotra mampitohy ny Renivohitra amin’i Ivato no very lasan’ny jiolahy, ny Sabotsy 26 Aogositra lasa teo. Azo lazaina fa tena maty paika tokoa ny fomba nakan’ireo jiolahy ity fiara ity. Io Sabotsy io tamin’ny 7 ora sasany maraina, lehilahy lehibe roa samy efa fotsy volo mitonona ho « temoins de Jehovah » no nanatona ny mpamily sy ny mpanampy azy ary nilaza fa hanofa ilay fiara hitondrana mpivavaka. Rehefa raikitra ny adivarotra, dia niakatra tao anaty fiara ireo olona roa ireo ary nilaza fa handeha ho any amin’ilay toerana voalaza fa handraisana ireo mpivavaka. Nony tonga tamin’ny toerana nolazaina anefa, dia tsy nisy izany mpivavaka izany akory teo, fa bandy 5 lahy no nitsena ilay fiara ka nidaroka ny mpamily sy ny mpanampy azy. Tsy vitan’izay fa mbola nofatorany tongotra aman-tanana sy nasiana sakay ny mason’izy ireo ary nariana teo. Dia nentin’ireo jiolahy ny fiara. Afaka nampandre ny mpitandro filaminana ihany anefa ilay mpamily sy ny mpnampy azy, rehefa nahavaha ny fatorana natao azy ireo saingy hatreto, mbola tsy hita izay nanjavonan’ilay fiara.
T.M.