- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Olona roa maty nihinana “voalavo rano”…

Soanierana Ivongo : Olona roa maty nihinana “voalavo rano”…

Nitrangana zava-doza tao Antsiraka kaominina Antanifotsy distrikan’i Soanierana Ivongo, fa nisy fianakaviana enina mianaka nihinana ilay hazandrano antsoina hoe “voalavo rano”. Ity karazana hazandrano ity anefa raha ny fanazavana azo dia misy faritra misy poizina aminy, ka raha tsy afaka izany amin’ilay hazandrano dia mety ahafaty ny fihinana azy. Tokony tamin’ny 6 ora hariva ny talata teo anefa dia narary tampoka ny zaza roa 8 taona sy 5 taona ary maty tampoka izy ireo taoriana izay vao nikoropaka sy taitra ny tao an-trano. Teo vao nitady lakana motera tao an-tanana nahafahana nihazo an’i Sainte-Marie ireto fianakaviana satria narary koa ireo zaza ambiny tao an-trano, 10 taona sy 6 taona ary 11 volana, sy ilay raim-pianakaviana. Tao Antsiraka raha teo izy ireo no mipetraka kaominina Antanifotsy. Nahazo ny fitsaboana sahaza azy tao Sainte-Marie izy efa-mianaka, ilay renim-pianakaviana kosa tsy manahy ny fahasalamany satria tsy nihinana ilay hazandrano ny tenany araka ny fanazavana azo. Efa tsy manahy ny fahasalaman’izy efa-mianaka ankehitriny efa miha-tsara koa izany amin’izao, nefa nanafatra ny talem-paritry ny jono fa hazandrano mety ahafaty ilay trondro “voalavo rano”, sy ireo hazandrano hafa toy, ny sokatra an-dranomasina, amin’izao andro fahavaratra izao arakaraka ny karazany avy.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici