- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Rangahy nikapa olona tamin’ny antsibe, matin’ny fitsaram-bahoaka

Soanierana Ivongo : Rangahy nikapa olona tamin’ny antsibe, matin’ny fitsaram-bahoaka

Fitsaram-bahoaka indray ! Rangahy iray nikapa olona tamin’ny antsibe no matin’ny hatezeram-bahoaka omaly tao Soanievana Ivongo. Nisahotaka indray ny tao Soanierana Ivongo omaly maraina. Renim-pianakaviana iray nitondra ny zanany teny an-trotroana no niharan’ny herisetra nataona lehilahy iray teny an-dàlana. Kapa antsy avy hatrany no nihatra teny amin’izy mianaka ireto. Nijininika ny rà. Voa teo amin’ny lohany ary naratra mafy ilay zaza. Torak’izany ihany koa ilay reniny izay voafira antsy teo amin’ny tanany. Nisy nahita ny zava-niseho ka vetivety dia nitangorona ny olona. Tao ireo niezaka nitondra azy mianaka tany amin’ny toeram-pitsaboana, araka ny fanazavàna azo tany an-toerana. Tao kosa ireo nanampatra ny hatezerany tamin’ily rangahy nahavanon-doza. Tsy tonga tany amin’ny hôpitaly akory ilay zaza kely vao herintaona monja, izay tena voa mafy fa teny an-dàlana dia tapitra ny ainy. Raha ny fampitam-baovao azo moa dia vaky tanteraka ny lohan’ity zaza ity. Ilay reniny kosa dia efa manaraka fitsaboana. Fa tetsy andanin’izay, tezitra noho ity habibiana ity ireo fokonolona nitazona ilay nahavanon-doza ka samy nanampatra ny hatezerany avokoa. Niainga ny daroka sy tora-bato, ary tsy namelan’ireto fokonolona raha tsy tapitra hatramin’ny ain’ity farany. Mbola tany tamin’ity rangahy ity moa ilay antsibe nikapany an’ilay zazakely sy ny reniny. Araka ny vaovao hatrany dia toa hoe tsy dia salama saina ity rangahy namono olona sy matin’ny fokonolona ity, ary tsy mponina eo an-tanàna rahateo ihany koa. Efa tonga teny amin’ny toerana nitrangan’ity zava-doza ity moa ireo tompon’andraikitra isan-tokony tany an-toerana, nanadihady sy nijery ifotony ny zava-nisy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici