- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoanierana : Mpangalatra vy roa tra-tehaka

Soanierana : Mpangalatra vy roa tra-tehaka

Mirongatra ny halatra vy etsy sy eroa. Lasibatra avokoa rehefa mety ho vy, fananan’olona, eny fa na hatramin’ireo fananam-bahoaka aza. Tsy mitsahatra ny mitily sy mametraka paik’ady hamongorana ireny totakely ireny anefa ny pôlisy. Toa ity tetsy Soanierana ity, ny faran’ny herinandro lasa teo. Andian’olona no hitan’izy ireo nilanja varavaram-by lehibe miisa roa sy varavaran-kely efatra, andro amin’ny telo ora maraina, tsy lavitra ny sampanana mankany Namontana iny. Tsy nisy nisalasalàna moa ireto mpitandro filaminana, amin’ny maha olon-dratsy azy ireo ka avy hatrany dia nanatona sy vonon-kisambotra. Tanaty maizina moa ary rehefa tena natonina dia hita fa tsy misy afa-tsy roa lahy ihany izy ireo. Vantany vao nahita ireto pôlisy kosa ireto farany dia nanao tari-dositra ary niezaka nihazo elakelan-trano tsy lavitra teo, namela ireto « entany ». Izay vao tena voamarina fa tena olon-dratsy ireto farany, ka rafitra avy hatrany ny fanenjehana. Tsy lasa lavitra ny iray dia voasambotra, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy, fa tafaporitsaka tanaty haizina kosa ilay namany. Rehefa naverina nohamarinina ireto entana nentin’izy ireo dia hita fa ankoatra ireto varavaram-by dia mbola nahitàna « micros » efatra, seza plastika miisa fito ary tariby maromaro, tamin’izany. Azo antoka fa entana halatra vao nalain’izy ireo tamin’ny vaky trano tany ho any izany zavatra izany. Teo no ho eo ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ity voasambotra ity. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny andron’ny alatsinainy teo ary fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany. Ilay namany kosa, raha ny fantatra, dia mbola eo an-dalam-pikarohana izany ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici