- Publicité SW45 -
dimanche, mai 12, 2024
AccueilFaits-DiversSoanierana : Mpitsindrona rongony mahery vaika, fitolahy voasambotry ny pôlisy

Soanierana : Mpitsindrona rongony mahery vaika, fitolahy voasambotry ny pôlisy

Ny fonosan-drongony sy ireo fitaovana tratra teny amin’izy fitolahy.

Vaingana rongony mahery vaika « héroine » sy fonosana rongony, miaraka amin’ireo fitaovana fampiasa hitsindromana izany zava-mahadomelina izany no tra-tehaka teny amin’ireto fitolahy, voasambotra tetsy Soanierana ny talata lasa teo.

Voalazan’ny avy ao anivon’ny sampan-draharan’ny pôlisim-pirenena miady amin’ny zava-mahadomelina fa misy amin’ireto tovolahy nosamborin’izy ireo ireto no mbola tsy ampy taona velively kanefa dia efa niroso sahady tamin’izany fanandramana fitsindromana rongony mahery vaika izany. Fitarainan’ny mponina avy eny amin’iny faritra iny moa no nahafahan’ireto mpitandro filaminana nidina teny an-toerana nijery akaiky ity toe-javatra ity. Nambaran’ireo farany hatrany mantsy fa hoe nirongatra izay tsy izy ny fandraisana zava-mahadomelina eny an-toerana ary maro amin’ireo ankizy, tovolahy, izay heverina fa mbola mpianatra avokoa no mandray rongony mahery vaika, toy ny « heroine ». Nandray ny andraikiny tandrify azy ny sampan-draharahan’ny pôlisy ary izao nahazoana vokatra izao. Teo am-pandraisana izany rongony izany mantsy ny sasantsany amin’izy ireo no tra-tehaka. Mbola tratra teny amin’izy ireo aza ny fitaovana maromaro fampiasan’izy ireo amin’izany, toy ny « seringue » miisa efatra, izay raha ny fampitam-baovao azo dia ny telo no efa nampiasaina fa ny iray mbola nisy tsiranoka heroine. Teo ihany koa ny mizàna eletrônika miisa roa, ankoatr’ireo vaingana rongony mahery vaika sy rongony tsotra moa izany. Taorian’ny famotorana natao azy ireto dia natolotra ny Fampanoavana omaly izy fito miralahy ireto, izay heverina fa samy nadoboka am-ponja ny ampy taona ary nalefa any amin’ny toby fitaizana zaza maditra ireo mbola tsy ampy taona, mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici